FIFANINANA KABARY sy TONONKALO ary ANGANO
Ny faran’ny herinandro teo, Teto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana, no nankalazan’ny MPikabary Iarivo AVAradrano ny tenindreny tamin’ny alalan’ny FIFANINANA KABARY sy TONONKALO ary ANGANO, izay nandraisan’ny mpianatra anjara.
Nisy ihany koa FAMELABELARAN-KEVITRA nataon’Andriamatoa RATSIMBAZAFY Masy Haja, Filohan’ny MPIAVA, izay niompana tamin’ny loha-hevitra hoe : « Ny tenin-dreny sy ny fampandrosoana ». Ny lanonana dia notarihan’Andriamatoa ANDRIAMOSA AVOTRAINA Mary Thomasson, Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Sabotsy Namehana sady Filoham-boninahitry ny MPIAVA.
Izany hetsika izany dia nifanindran-dàlana tamin’ny famaranana ny fankalazana ny andron’ny Sekoly (Journée des Ecoles » ary nofaranana tamin’ny fizarana loka ho an’ireo mpifaninana mendrika.