08 Martsa : Andron’ny vehivavy

Amin’izao andro maneran-tany natokana hoan’ny Vehivavy izao, dia manolotra ny fiarabana sy firariantsoa hoan-tsika vehivavy rehetra tsy ankanavaka manerana ny nosy, ary indrindra fa isika vehivavy eto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana.
Mirary raha mirary mba ho vehivavy mendrika ny toerana sy ny sehatra misy antsika tsirairay avy, ary ho tena fitaratra amin’izay hatao,b ka ho tanteraka tokoa ilay ohabolan-dRazana hoe  » ny vehivavy dia mandeha ravaky ny lalana, rado ravaky ny vozona, ary haba ravaky ny tanana »
Mirary fahasalamana feno hoan’ireo ao anatin’ny tsy fahasalamana, mankahery ireo nozoin-doza!! ary indrindra miarahaba an’ireo nahazo fahasoavana.
Soava ka tsara Tompokovavy!!