π πππππππππ ππππ ππππππππ ππ πππππππ ππππ
π πππππππππ ππππ ππππππππ ππ πππππππ ππππ ππππππππππ ππ ππππβππ πππππππππ πππππππ-ππππππππ, ππ π£π¨π§π ππππ
Anisan’ny olana sedrain’ny vahoaka eny ifotony ary mamela takaitra eo amin’ny foto-piveloman’ireo tantsaha ny fandalovan’ny loza voajanahary. Aminβny maha mpiahy ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona moa dia tsy mitsahatra mijery izay mahasoa ireo vahoaka eny ifotony hatrany ireo Loholonβi Madagasikara manoloana ireo olana samihafa sedrain’izy ireo.
Ho anβny androany alarobia 14 jona 2023 dia ireo tantsaha tao Ambatofotsy Avaradrano ao aminβny Kaominina Sabotsy-Namehana indray no nisitraka fanampiana ho fanohanana sy ho fampaherezana azy ireo manoloana ny fahapotehan’ny fambolen’izy ireo vokatry ny filatsahanβny avandra teto Antananarivo sy ny manodidina ny faran’ny volana mey lasa teo. Fanampiana izay avy aminβny Fitondram-panjakana tarihinβny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry Nirina RAJOELINA, ka ny Filohanβny Antenimierandoholona, Andriamatoa Herimanana RAZAFIMAHEFA no nisolo tena nanolotra izany.
Vary 625 kg, voanemba 250 kg, vatsy tsinjo 50 isa ary lafarinina 100 kg no nozaraina ho ana tokatrano marefo miisa 50. Teo ihany koa ny masomboly 150 fonosana ary zezika 30 lasaka
Toy ny mahazatra dia nankahery ireo tantsaha ny Filohan’ny Antenimierandoholona mba tsy ho kivy fa hitraka hatrany. Amin’ny andro sarotra tahaka izao hoy izy no ilΓ na ny fifanomezan-tΓ nana, izay mariky ny fifankatiavana sy ny fifampitsonjovana. Tsy adinony ihany koa ny nampita ny fampaherezana avy amin’ny Filoham-pirenena ho anβireo tantsaha. Nambarany moa fa mbola hisy ny fotoana hitsidihan’ity farany an’Ambatofotsy araka ny hafatra avy amin’ny Filoham-pirenena hatrany.
Nankasitraka feno izao fihetsika asehon’ny Fitondram-panjakana izay soloin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona tena izao moa ny Ben’ny TanΓ n’i Sabotsy-Namehana, Andriamatoa Avotra ANDRIAMOSA. Antenaina hoy izy fa hitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina sy ny Fitondram-panjakana.
Marihina fa izao hetsika izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa hatrany eo aminβny amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny BNGRC ary ny orinasa STOI izay nanome zezika TAROKA.
Sary :Β© PrΓ©sident du SΓ©nat Herimanana Razafimahefa